Toe-karena : Mampihena ny tombony ho an’ny firenena ny tsy fanarahan-dalànan’ireo orinasa madinika
Nanao ny fanisana ireo orinasa ny teo anivon’ny minisitry ny toe-karena ka nivoaka tamin’izany fa miisa 3 tapityrisa ireo orinasa mbola tsy manara-dalàna eto Madagasikara.
Isa mila fandinihana izany satria raha atao ny kaonty mahakasika izany satria ny tokony ho hetra alohan’ireo orinasa ireo aon antin’iray taona dia efa mahatratra 149.6 milliards ariary. Raha izany vola izany dia efa mety hampiakatra ny sandan’ny vola Malagasy raha toa ka hampiasaina eo anivon’ny tsenam-barotra. Toy izao ny fitsinjaran’io isa io raha natao ny fanisana, 47,4% ao anatin’ny varotra, 7,5% amin’ny sehatry trano fandraisam-bahiny sy ny trano fisakafoana, 7,4% ao amij’ny sehatry ny fifandrasian-davitra dia ireo mpivarotra fahana sy ireo « cash point » ary ny 7,4% dia eo amin’ny sehatry ny asa tanana. Ny ankamaroan’ireo aza moa dia tsy misoratra amin’ny fokontany misy azy akory.
« Na ireo orinasa sasany izay manara-dalana aza dia misy tsy mahaloa ny hetra tokony haloany ka rehefa hatao ny fanadihadiana dia maro ireo sasany izay tsy mahaloa afatsy 50 000ar isam-bolana ihany » hoy ny avy ao amin’ny ministera raha nanazava. Etsy andaniny anefa ny tsy fanarahan-dalana dia miteraka olana betsaka ho an’ilay tompon’ilay orinasa sy ho an’ny firenena ihany koa, anisan’izany ny tsy fisitrahana ireo tombony rehetra mety homen’ny ministera ireo orinasa rehetra. « Mandoa hetra dia avy eo tsy hita izay alehan’izany hetra izany hoe mankaiza, mila asiana transparence ny fandaniana vola eto amin’ny firenena, izay no vahaolana hitako raha izaho no anontaniana » hoy i Dani, mpanao cash point.
Misy ao amn’ireo orinasa manara-dalana mandoa hetra sy ny adidiny amin’ny fananany izany orinasa izany no mbola miady mafy satria tokonyn handoa hetra eo ho eo amin’ny 2 tapitrisa ariary eo isam-bolana. Mila sokafana noho izany ny fivarotana ivelan’ny Madagasikara ho an’ny orinasa rehetra hampitombo ny vola mihodina ao amin’ny orinasa.
Miora Raharisolo
