Ambohimangakely : Tsy mbola voavaha ny olan’ny fitaterana ho an’ny zotra sasany
Mpandeha, mpampiasa ireo zotra mankao an-drenivohitra (manodidina an’ny Behoririka, Andravoahangy, Tsiazotafo sy ny sisa) no mitaraina manoloana ny tsy fahampian’ireo zotra mitatitra indrindra rehefa hariva amin’ny ora firavan’ny mpiasa sy ny mpianatra, monina ao Ambohimangakely. Tsy ampy kanefa mbola manivana sy miodina an-dalana ireo zotra sasany na dia efa hita milahatra sy misisika aza ny olona mpandeha araka ny voalaza.
« Mijaly ny mpiandry bus kanefa tsy afa-manoatra. Ny zaza amam-behivavy no tena lasibatra amin’ny fisisihana sy ny sakoroka amin’ny fiandrasana fiara isan-kariva, ny mpandeha tena misisika eo amin’ny fiantsonana. Tsy mora ny mahazo bus satria tsy misy ny fandaminana ka voatery miandry ny rariny ireo te hody » hoy i Agnès, renim-pianakaviana, mponina ao Ambohimangakely.
« Anisan’ny olana mahatonga ny tsy fanaraha-dalàna eo anivon’ny zotram-pitaterana ny tsy fahampiana fitsipika sy sazy entitra ho an’ireo fiara ts manara-dalàna, hany ka manao izay tiany ireo sôfera sy mpanampy azy » hoy i Marco, mpandrindra ny fifamoivoizana.
Ny fandraisanana fepetra ataon’ny tomponandraikitra misahana ny zotra sy ny koperativa araka izany no mamaha sy mandamina ny olan’ny fiara fitateram-bahoaka. Ny fametrahana sazy enjana ihany koa anisan’ny mahafay sy manome lesona ireo mpitatitra tsy manaja ny zon’ny mpanjifa, ohatra, fanatsaharana amin’ny asa mandritra ny fotoana voafetra.
Manitra Ramanantsoa
