ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Fokontany Ilafy sy Atsampandrano no nisantatra ny fametrahana jiro

Toa ny tany amin’ireo kaominina hafa nisitraka ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, nidina teny ifotony sy nametraka izany teny amin’ireo fokontany ihany koa ny ben’ny tanàna tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Tao amin’ny fokontany Atsapandrano sy ny fokontany Ilafy no nisantarana izany.

« Misy ireo lalana tena mila jiro manazava indrindra ny lalana Ambohipanja, Ankadikely fa tena mahabe ny mpanao asa ratsy, indrindra rehefa amin’ny alina. Tokony jeren’ny tomponandraikitra akaiky indrindra hisorohana ny tsy fahandriampahalemana » hoy i Toky, mponina ao Ambohipanja.

« Ezahina ho laharam-pahamehana ireo toerana sy ireo lalana nahitana trangana tsy fandriampahalemana ho fitsinjovana ireo mponina voatery mody hariva. Hitohy ho an’ny faritra hafa ny fametrahana izany » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy.

Nilamina ny fizarana ny jiro tamin’ity andiany ity. Mbola hisy ihany koa ny fizarana ho an’ny fokontany sasany, manaraka ny fandaminana. Mila mitandro ny fananana iombonana mba hananana zavatra tsara satria izay mahakolokolo no manana ny soa hoy ny fahendrena Malagasy.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire