Ambohimangakely : Mitohy hatrany ireo asa fanamboaran-dàlana
Mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dàlana ao amin’ny faritry ny kaominina Ambohimangakely ny talata 23 aogositra 2022. Voakasika amin’izany ny fokontany anankiroa, dia ny Tsarahasina sy Antanambao.
Marihina fa efa nisy ny fanamboarana tany amin’ireo toerana hafa. Izany moa dia iarahana miasa amin’ireo mpiara miombon’antoka maro samihafa. Miainga eo Tsaramasoandro fokontany Tsarahasina ny asa ary mandala eo amin’ny fiangonana FJAM ary mipaka eny amin’ny CSB2 mivoaka ny làlam-pirenena faharoa. Haharitra efa-bolana eo moa ny asa, ka mampilaza ireo rehetra mampiasa izany làlana izany ny fiadidian’ny kaominina fa mety hisy ny fanelingelenana na ny fahatapahana mandritry ny asa izay atao hoy ny ben’ny tànana. Atao izany mba entina hanantsarana ny tànana hatrany.
Famenontsoa Rajerison
