ActualitésTsidika

Analavory : Fiara roa no nifandona tao

Fiara tsy mataho-dalana sy fiaran’ny Madatrans no niaran’ny lozam-pifamoivoizana tao Analavory ny talata 23 aogositra 2022 lasa teo. Marihina moa fa avy any Manakara ity fiara tsy mataho-dalana ity ary avy any Antananarivo kosa ilay fiaran’ny Madatrans. Niala lavaka moa ity fiara tsy mataho-dalana ity ary niafara amin’izao fifandonana tamin’ilay fiara iray izao. Tsy nisy ny aina nafoy fa zandary roa mivady no naratra tao anatin’izany. Efa nahazo ny fitsaboana nahazo azy kosa anefa ireo naratra. Ireo tompon’andraikitra ao amin’ny koperativa Madatrans sy ny tompon’ny fiara ihany koa dia efa nanao ny fifanarahana. Mila mailo hatrany manoloana ny toe-javatra mety hiseho sy ny tsy ampoizina rehetra.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire