Royaume-Uni : Valan-javaboahary ao afovoan’ny tanàna ny « St James’s Park »
Iray amin’ireo valan-javaboaharin’ny mpanjaka tranainy indrindra ao Londres ny « St James’s Park ». Ao amin’ny faritry ny tanànan’i Westminster no misy azy izay misahan velaran-tany 23 hektara. Voafaritry ny The Mall izy any avaratra, ny Horse Guards avy ao atsinanana, ny Birdcage Walk avy ao atsimo ary ny Buckingham Palace Road avy ao andrefana.
Milamina sy kanto ny « St James’s Park » sy ny manodidina azy. Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fanolavolana azy i André Le Nôtre. Ahitana farihy ao amin’ny toerana izay misy nosy kely roa : ny « Duck Island » izay vala ho an’ny ganganasy ny West Island. Hita eo amin’ny vavahady fidirana ny toerana kosa ny tsangam-bato fahatsiarovana ny « bataille d’Ypres ».
