ConseilTsidika

Ravin-goavy : Manampy amin’ny fanalàna kohoka sy hisorohana ny fivalanana

Maro dia maro tokoa ny zava-tsoa entin’izany ravin-goavy izany, na eo amin’ny fikarakarana vatana na eo amin’ny fitsaboana atao rano fisotro. Anisan’izany, misoroka aretin’aty izy io, mitsabo ny aretin-kibo toy ny mivalana, mampihena ny tahan’ny siramamy sy ny kolesteroly ao anatin’ny rà, miady amin’ny kohaka sy ny areti-tenda ihany koa anefa izy io.

Misy karazany maro ny fomba fampiasana ny ravin-goavy. Ireto misy santionany atoro ho anao. Fomba voalohany, ny fampiasana ny ravin-goavy lena, izany hoe ilay ravin-goavy vao notazana ampangotrahana amin’ny rano roa kaopy mandritra ny 15 minitra. Raha hefa izay dia azo ampiana dipoavatra mainty sy tantely raha tiana hanatsarana ny tsirony.

Faharoa, dia fampiasana ny ravin-goavy nohamainina. Ity fomba faharoa ity moa dia maharitraritra satria anaty telo herinandro vao maina tanteraka ny ravin-goavy ka azo ampiasaina toy ny teo aloha ihany

Ny fahatelo farany, dia potipotehina ny ravin-goavy maina ho lasa vovony. Maka 1 sotro kely amin’iny vovony iny avy eo  no atao amin’ny rano mafana iray kaopy, avela ilona 5minitra vao sotroina. Atao indray mandeha isan’andro ny fampiasanaizany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire