SocialTsidika

Fifanakalozana ara-barotra mitentina 404 36 tapitrisa USD ho an’ny taona 2020-2021 eo ain’i Inde sy i Madagasikara

Ny Alahady 15 Aogositra 2021 no nankalaza ny faha 75 taona nahazoany fahaleovan-tena ny firenena Inde tao amin’ny toeram-ponenany ao Analamahitsy. Tamin’ity taona ity, nametraka ny « Azadi Ka Amrit Mahotsav » (AKAM) ny governemanta Indianina mba hanamarihana ny faha 75 taona nandrosoany sy ny tantara be voninahitra manamarika ny mponina ao aminy ary ny kolontsainy sy ny asa vitany.

Ny Mahotsav dia natao hoan’ireo mponina ao Inde izay nanampy tamin’ny fampivoarana an’Inde. Nanambara ny masoivoho fa « faly sy mirehareha amin’ny lalam-panorenana sy ny fomba ara-demokratika misy ao aminy izy. Mandroso hatrany amin’ny fampivoarana sy ny fanamafisana ny demokrasia Inde. Mampiteraka fanantenana hoan’ny olombelona rehetra ny asa fanatanterahan’i Inde ». Manamafy ny fifandraisany amin’i Madagascar ny Fitondrana ao Inde, indrindra fa ny fifandraisana an-dranomasina. Raha ny nambaran’ny ambasadaoro ny Inde, efa an’anarivo taona lasa no efa nifandray tsara ny firenena roa tonta.

Mitàna andraikitra lehibe izany indrindra eo amin’ny sehatra ara-toe-karena ary ihany koa amin’ny fanatsarana ny karazana kolontsaina eto Madagasikara. Mikasika ny fifandraisana ara-barotra kosa, notsindriany fa efa mitentina 404 36 tapitrisa USD ny fifanakalozana ara-barotra natao ny taona 2020-2021. Madagasikara moa dia isany firenena misitraka manokana ny tsy fandoavana vola amin’ireo entana hafarana.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire