Sabotsy Namehana : Hisy ny hetsika Didifoitra faobe maimaim-poana
Hisy ny hetsika fanaovana didifoitra faobe ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. ny kaominina sy ny fikambanana Avotraina ary ny mpikitra ao an-toerana no mikarakara sy ny manolotra ny hetsika, izay maimaim-poana, ho an’ny rehetra, araka ny voalaza.
« Ny talata 16 may sy 23 may no hanatanterahana ny didifoitra faobe maimaim-poana eto amin’ny kaominina. Manentana ny rehetra sahady hiomana amin’ny fanatanterahana izany » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Entanina sahady ireo liana amin’ny hetsika ho tonga hisoratra anarana ety amin’ny biraon’ny kaominina, varavarana faha-9. Hatramin’ny zoma 12 may izao, amin’ny 05ora hariva no fara fandraisana ireo anarana ao anatin’izany » hoy hatrany ny fanazavana.
Efa manomboka miditra amin’ny fotoana fanatanterahana ny hasin-jaza tokoa isika amin’izao fotoana izao. Izy ity izay fomba mampiavaka ny malagasy kanefa maro ireo mandalo fahasahiranana amin’ny fanatontosana izany. Zava-dehibe ny fandraisana an-tanana avy amin’ny kaominina tahaka izao, eo ihany koa ny fifanohanana amin’ny mpiara-belona.
Manitra R.
