ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Mivangongo ireo fako eny amin’ny fokontany

Mivangongo ireo fako eny amin’ny fokontany Ambohitrarahaba, kaominina Ankadikely Ilafy, amin’izao fotoana izao. Araka ny voalaza, tsy maharaka ireo daba-pako napetraka ao an-toerana ka mahatonga ireo fako hiparitaka eo amin’ny manodidina.

« Matetika rehefa volana desambra, mamarana ny taona tahaka izao dia tsy arak’ireo tomponandraikitra misahana izany intsony ny fandraofana ireo fako eto an-toerana. Vokany, mivangongo eo ny fako, ny fako arian’ireo mpanary fako anefa mitombo ihany » hoy i Yvon, teknisianina amin’ny fanodidinana fako.

« Mila fandraisana fepetra haingana ny resaka fako ity. tokony hampitombona ireo dapa-pako ampiasaina fa tena efa mihoatra loatra ireo fako. Mety hiteraka olana hafa izao raha tsy misy ny fandraisana andraikitra » hoy i Miray, mpivarotra ao Ankadikely.

Antony maro no mahatonga ireo fako mivangonngo sy miparitaka amin’izao fotoana izao. Hanairana ireo tomponan’andraikitra isan-tsokajiny izany ary hanaovana fanentanana ny rehetra satria ny fahadiovana tsy vitan’olon-tokana samirery fa mila ny fandraisan’andraikitry ny rehetra.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire