ActualitésTatitra

Afghanistan : Manana lisitra LGBT ho vonoina ny Taliban

Voahenjika ary tena voararan’ny mihitsy ny fiaran’ny olona mitovy fananahana ao Afghanistan. Vao maika nohafamy ny fepetra manoloana izany rehefa tonga teo amin’ny fitondrana ny Taliban. Tsy mbola nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny làlana hifehezany ny LGBT kosa nefa ireo mpitondran’i Afghanistan amin’izao fotoana ireo saingy mazava amin’ny mponina ao an-toerana fa manaja tanteraka ny « Charia », làlana islamique izy ireo izay manameloka ho faty ny fiarahana olona mitovy fananahana. »Mampatahotra izao vanim-potoana iainana izao » hoy kosa i Kimahli Powell talen’ny Rainbow Railroad, vondrona iraisam-pirenena mpomba LGBT sisa sahy mijoro ao Afghanistan. Efa azon’izy ireo antoka raha ny fanazavany fa manana lisitrana LGBT ho vonoina ny Taliban.

Laisser un commentaire