Etats-Unis : Voafidy ho goveronan’ny Virginie i Glenn Youngkin
Lany ho goveronan’i Virginie i Glenn Youngkin raha ny tatitry ny fahitalavitra ny alarobia teo. Isa 2, 7 monja no nandreseny ilay mpifanandrina taminy Terry McAuliffe, 64 taona izy efa goveronan’ny Virginie ny taona 2014 hatramin’ny 2018.Mpandraharaha i Glenn Youngkin, 54 taona, tsy manana traikefa amin’ny raharaha politika izy saingy nanome toky fa hiady amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra. Nandiso fanantenana an’ny filoha Joe Biden kosa io valim-pifidianana io.
