PolitiqueTatitra

Chine : Nitory ny praiministra lefitr‘i Chine teo aloha i Peng Shuai

Tompondakan’ny lalao Tennis ao Chine i Peng Shuai. Nitory ny praiministra lefitra tao an-toerana, Zhang Gaoli izy ny talata teo noho ny fanararaotana ara-nofo. Efa tamin’ny telo taona lasa izany tranga izany raha ny fanazavany ary ary niseho tao an-tranon’ity praiministra lefitra ity ihany.Nitaparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera tao an-toerana io raharaha saingy nofafana avokoa izay fanambarana na fanehoan-kevitra niresaka izany ny alakamisy teo. Tsy tao amin’ny Weibpo sy ny tranonkala fikarohana Baidu intsony izany raha ny tatitra. Marihina fa ao anisan’ireo olona 7 matanjaka indrindra ao Chine ity praiminisitra lefitra teo aloha 75 taona ity.Nanomboka ny taona 2018 no nanomboka sahy nitory sy nanameloka ireo olo-malaza nanao fanararaotana ara-nofo ireo vehivavy tao Chine manoloana ny fijoroan’ny vondrona MeToo, nanohina ireo vehivavy amin’izany. Voalohany hatraùmin’io daty io kosa no nisy vehivavy sahy nitory mpanao politika.

Laisser un commentaire