ActualitésTatitra

Mayotte: Misy ny rafitra nasionaly natokana ho an’ny Dugong

Biby an-dranomasina ny Dugong. Biby miteraka mirefy 3 metatra eo izy ary milanja any amin’ny 450 kilao any. Mihinana zava-maitso ny Dugong ary mahalany ahitra 30 hatramin’ny 40 kilao isan’andro. Misy amin’ny firenena 40 eo kosa io biby io saingy ny toetoetra biolojikany sy ny fomba fiainana dia mahatonga azy ho tandindon-doza.

Manodidina ny 10 eo ny Dugong ao Mayotte. Mba hiarovana azy ireo dia nanangana rafitra nasionaly ireo fikambanana Naturaliste ao an-toerana. Tanjon’izany ny fandalinana azy misimisy mba ahafahana miaro azy raha ny fanazavan’i Léa Bernagou, mpanentana ny PNA (plan national d’action). Ny DEAL kosa no nametraka ary hamatsy vola io tetik’asa io.

Laisser un commentaire