ActualitésTsidika

RSE: Sehatra sy fomba maro ao anaty orinasa no hahafahana mampihatra izany.


Maro ireo sehatra hahafahana miasa raha te haneho fa misy izany RSE izany ao amin’ny orinasa iray,na izany ny sehatra anatiny na ny ivelany. Ny fahita sy fanao matetika dia ny sehatra ivelan’ny orinasa. Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fanatanterahana ity politika ity ny mpiasa ao anatin’ny orinasa. Hevitra iray hanatanterahana ny RSE ny mijery ny tombontsoa sy ny mahasoa ireo mpiasa.
Ny orinasa tsirairay araka ny efa fantatra dia tokony hanana mpiasa manokana misehatra amin’ny RSE ka mitady sy mikaroka izay zakan’ny orinasa mba hanatanterahana ity politika ity ho fampandrosoana. Raha ny fijerevana ny mahasoa ireo mpiasa dia azo atao ny manaja ny lalàna sy ny fototry ny fahasalamana ao anatin’ny orinasa ary anisan’izany voalohany indrindra ny fahadiovana, ny fiarovana ny mpiasa amin’ny loza mety hitranga sy ny maro hafa. Tokony hanaja ny lalànan’ny asa ihany koa ny mpampiasa tsirairay izay miovaova isaky ny Firenena izy io. Ohatra amin’izany ny fahafahan’ny mpiasa mangataka andro tsy hiasana sy ny fanajana ny ora fiasana izay any anaty taratasy fifanarahana. Raha ny mahakasika ny toeram-piasana kosa dia tokony ho ara-pahasalamna ihany koa izany hoe, azon’ny masoandro tsara, misy hahafahan’ny rivotra mifamezivezy ary toerana malalaka hahafahana miaina sy mifamezivezy tsara. Farany izay tsy kely indrindra dia ny fitovian-jo eo amin’ny mpiasa lahy sy vavy, mitovy ny zony, ary mitovy ny adidiny, ny anajara asany sy ny vola raisiny araka ny asa hampanaovina azy.
Ny tanjona amin’ny RSE moa dia ny fampandrosoana ho an’ny daholo be sy lovain-jafy no ho tratrarina. Hasoavina ireo mpiasa hahafahan’izy ireo mitondra ny anjara birikiny eny anivon’ny fiaraha-monina mba hahatrarana io tanjona io.


Miora Raharisolo

Laisser un commentaire