ActualitésTatitra

Australie : Zazavavy kely very ny 16 oktobra teo hita tsy nisy ratra

Tsy hita nanomboka ny 16 oktobra teo i Cleo Smith rehefa nilasy tao andrefan’i Australie niaraka tamin’ny ray aman-dreniny. Hitan’ny polisin’i Australie kosa izy ny alarobia teo ary lehilahy iray 36 taona nosamborina tamin’izany.Tao amin’ny tànanan’i Carnavron, tao avaratr’i Perth no hita ity zazakely 4 taona ity, tamin’ny andro alina raha ny fanazavan’i Chris Dawson, tompon’andraikitry ny raharaha. « Salama tsara ary tsy nahitana ratra i Cloe » hoy izy.

Laisser un commentaire