Ecosse : Niteraka resa-be ny fatorian’ny filohan’i Etats-Unis nandritra ny COP26
Niteraka resa-be ny fanokafana ny COP26 tao Glasgow ny alatsinainy teo. Tsy noho ny votoatin’ny valan-dresaka nataon’ireo tompon’andraikitra nefa izany fa noho ireo mpitondra firenena azon-tory. Anisan’ireo nahazo kiana sy fanesoana tao amin’ny tamba-jotran-tserasera ny filohan’i Etats-Unis Joe Biden rehefa natory nandritra io hetsika io.Mpanao politika maro hafa ihany koa no nandrabiraby azy, voalohany amin’izany i Donald Trump izay efa nametaka anarana azy hoe « Sleepy Joe » na Joe mpatory hatramin’ny fampielezan-kevitra ho filoham-pirenena.Nilaza izy fa tsy mahatoky ny fahatsoran’ny filoha manoloana io lohahevitra mahakasika ny toetr’andro io. « Tsy matory izany ny olona tena mafano fo sy liana amin’io foto-kevitra io » hoy izy. Tsy i Joe Biden ihany nefa no tratran’ny fakan-tsary natory nandritra io hetsika io. Tafiditra tao amin’ny lisitra ihany koa ny praiministr’i Grande-Bretagne, Boris Johnson.
