ActualitésTsidika

Misy fiatraikany amin’ny fampianarana ve ny fitokonana ataon’ireo mpandraharaha eo anivon’ny Oniversite manerana ny nosy

Hisokatra manomboka anio 2 Jona ny anjerimanontolo manerana ny nosy araka ny kabary nataon’ny filoham-pirenena ny Alahady lasa teo. Misy tokoa ny fahatarann’y fampianarana noho ity valan’aretina ka mbola mamita ny taom-pianarana 2019-2020 izao ny eny anivon’ny Oniversite. Ny zava-misy anefa ankehitriny dia mitokona ny mpandraharaha eo anivon’ny Oniversite maro manerana ny nosy noho tsy fahazahoana ny karamy ara-dalàna. Isany amin’izany ny Oniversiten’Antananarivo, ary vao omaly aza ny mpandraharaha tao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga no nitokona noho ny tsy fandraisan’izy ireo karama. Hitohy hatrany ny fitokonana mandrapahazahoan’izy ireo ny tambin’ny asasarany sy ireo tombotsoa hafa tokony ho azony. Vao hiditra indray ireo mpianatra dia izao no mitsena azy ? Marary ny fampianarana, firifiry ireo sady very fotoana no lany andro tsy manao na inona na inona, mandany an-taona maro eny amin’ny Oniversite noho ny olana maro samihafa lalovana eny. Hany ka mahazo vahana ny Oniversite tsy miankina kanefa firifiry akory ireo manana fahafahana ny amin’ny saram-pianarana amin’izany ? Hatreto tsy mbola misy ny fanapahan-kevitra ny hanajanonana  ny fampianarana manomboka androany io saingy manohy ny fitokonany hatrany ireo mpandraharaha eo anivon’ny anjerimanontolo.

Laisser un commentaire