AfriCAN Code Challenge: Norombahin’ny Madagasikara ny amboaran’ny taona 2022.
Nivoaka ny asabotsy teo ny valin’ny fifaninana AfriCAN Code Challenge 2022 ka nandrombaka ny amboara tamin’izany ny tetik’asa “Ravinalo” izay notontosain’ireo tanora Malagasy miisa 3. Ny foto-kevitr’ity fifaninana ity dia ny fananganana “jeu video” amin’ny alalan’ny “logiciels scratch” izay misy lohahevitra manokana harahina.
“Nandray anjara izahay hahafahanay maneho fa manan-talenta ny Malagasy na dia aty amin’ny tany mahantra aza. Ny lohahevitra tamin’iny fifaninana farany iny dia hoe “ndao hiaraka hiaro ny fiaraha-miaina”. Nanangana ny “ravinalo” izahay hiarovana ny tontolo iainana satria ilay jeu dia mametraka ny mpilalao iray amin’ny toeran’ny mpilalao roa izay manangana orinasa mpamokatra angovo azo havaozina mba hampitsaharana ny loto avoakan’ny toby famokarana herinaratra”, hoy ny fanazavan’ny solontenan’ireo mpandray anjara Malagasy ireo.
“Hitako ho tena manana talenta mihitsy ny tanora Malagasy. Mila trandrahina, rehefa mahaliana anao ny tontolo iray dia aza atao ho fialamboly fotsiny fa fehezo. Ankoatra ny fifaninanana toy izao dia afaka hatao ho fitadiavam-bola izany rehefa tena vonona ianao. Efa sarotra amin’izao fotoana izao ny mitady asa fa ny famoronana asa no tena zava-dehibe”, hoy i Rodolphe, mpampianatra mahakasika ny informatika, tamin’ny fanehoan-keviny.
Firenena miisa 30 no nifanandrina tamin’ny Madagasikara tamin’ity fifaninanana ity ary izao nadrombahany ny laharana voalohany izao noho ny ezaka sy ny fikarohana. Teo amin’ny toerana faharoa ny avy ao Maurice raha fahatelo ry zareo Nizerianina. Efa misokatra ihany koa ny fisoratana ho amin’ny andiany amin’ity taona ity.
Miora Raharisolo
