France : Nodimandry i Romain Bouteille
Nindaosin’ny fahafatesana i Romain Bouteille, mpilalao sarimihetsika hatsikana ny 31 may hariva tamin’ny faha-84 taonany. Niara-nanorina ny café de la gare malaza ao Paris tamin’i Coluche ihany koa izy. Nodimandry tao amin’ny hopitaly Corbeil-Essonnes. Narary voa i Romain ary nanana olana teo amin’ny taovam-pisefoana hoy i Saida Churchill, mpilalao sarimihetsika hatsikana no sady mpamorona fandaharana ao amin’ny tanànan’i Etampes (Essonnes).
