Algérie : Nanamora ny fiverenanan’ny zotram-piaramanidina
Namoha indray ny sisin-taniny i Algérie, fa kosa tsy maintsy manaraka ny fitokana-monina any amin’ny hôtely raha vao tonga any an-toerana. Nanalefaka ny fepetra hidirana ao amin’ny firenena izy ireo noho ny fahabetsahan’ireo teratany ao aminy tavela any ivelany noho izao vaaln’aretina Covid-19 izao manomboka ny 1 jona. Miampy fampihenana ny saram-pivahinianana tsy maintsy atao rehefa tonga ary fanampiana ho an’ireo mpianatra na ireo be antitra sahirana izany fanapahan-kevitra izany. Nahena 20 % ny sara-pivahinianana ho an’ireo algerianina miverina any amin’ny fireneny ka 4 100 dinars (Ar 116 000) izany, ary aloa rehefa mividy tapakila. Misy ihany koa ny fitiliana atao amin’ny mpandeha alohan’ny iaingana sy rehefa tonga any. Sidina miisa 6 isak’herinandro no hotanterahan’ny Air Algérie izay mampitohy azy amin’ny firenena efatra (France, Espagne, Tunisie, Turquie), ary koa tanana dimy (Paris, Marseille, Barcelone, Tunis ary Istanbul).
