Afrique : Lasan’i Dre Abimbola Alale ny amboaran’ny AASO
Nanome loka ho an’olona iray isaky ny roa taona niavaka teo amin’ny fampiroboroboana ny “sciences aéronautiques sy spatiales”n ny AASO (African Aeronautics & Space Organisation). Ny Dre Abimbola Alale mpitantana ny NigComSat (Nigeria Communications Satellite) no nahazo izany tamin’ity taona 2021 ity. Antony ny hetsika vitany teo amin’ny sehatry ny « aérospatiale » tao Nigeria fa indrindra manerana an’i Afrique. »Rehareha ny manolotra loka amina vehivavy toy izao » hoy kosa ny filohan’ny AASO, Sékou Ouedraogo. Nanazava izy fa vehivavy voalohany eran-tany nitantana « opérateur satellitaire » i Abimbola Alale.
