La Réunion : Nahitana tranga 11 tamin’ny variant Indien
Mpikambana miisa 11 amin’ireo ekipan’ny sambo iray nivily ao amin’ny nosy La Réunion no fantatra fa mitondra ny « variant Indien » ny Alahady 9 May lasa teo. Ny 4 amin’ireo no nahiditra hopitaly vonjimaika ao La Réunion ary ny ambiny kosa natoka-monina ao anatin’ny sambo ihnay hoy ny tompon’andraiki-pahasalmana ao amin’ny nosy. Sambo izay tsy naseho ny sainany sy ny anarany fa ny fantatra dia teo nandeha teo anelanelan’i Brésil sy Inde izy ity. Nangataka fanampiana ity farany androany Alatsinainy 10 May noho izao COVID-19 hita tao aminy izao hoy ny masoivohom-paritry ny fahasalamana. Sahabo ho 30 km miala an’i La Réunion no nisy ity sambo ity izay efa nahazo alalana hivily ho any amin’ny seranan-tsambon’i La Réunion any amin’ny faritra andrefana izy.
