Alasora : Nahazo mari-pankasitrahana ireo 4 mianadahy nandray anjara tamin’ny Festival du film en poche
Nandritra ny lanonana fanolorana mari-pankasitrahana sy fanomezana, tao amin’ny kaominina Alasora hatrany, dia nahazo mari-pankasitrahana sy fanomezana avy amin’ny kaominina Alasora sy Carry-le-Rouet (France) ary ny departemanta ny Bouche du Rhône ihany koa ireo 4 mianadahy, izay nandray anjara tamin’ny hetsika.
« Manao ezaka hatrany ny kaominina amin’ny fanohanana sy ny fanosehana ireo tanora eto an-toerana. Ao anatin’izany izao hetsika fanolorana fankasitrahana izao satria anisan’ny manana tanora manam-pahaizana sy ny miavaka ny kaominina ho reharehany » hoy ireo avy amin’ny kaominina.
« Anisan’ny hetsika nanamarika ity taona ity ny fandraisan’ireo tanora avy eto Alasora anjara tamin’ny fifaninanana izay natao tany Frantsa ka mendrika azy ireo tokoa ny tolorana izao fankasitrahana izao » hoy i Réné, mponina ao Alasora.
Samy nanana ny fahaiza-manaony sy ny talenta nampiavaka azy, izay nanamarika azy ireo, ary nitondra avo ny anaran’ny kaominina Alasora izy 4 mianadahy ireto. Nanaolotra azy ireo izany fanomezana izany moa ny ben’ny tanàna ao an-toerana sy ireo mpiara-miasa aminy.
Manitra Ramanantsoa
