Maurice : Mpanjono iray lanin’ny antsantsa
Nisehoana fanafihana antsantsa tao atsinanan’ny nosy Maurice, tsy lavitry ny île aux Flamants ny herinandro lasa teo. Lehilahy mpanjono iray 39 taona no namoy ny ainy nandritra izany.
Raha ny fanazavana dia lehilahy iray mpanjono antsoina hoe Mike Anthonio Jean Lise io maty lanin’ny antsantsa io. Teo am-panjonoana izy no nivadika tampoka ny lakana nitondra azy ka notatazin’io biby masiaka an-dranomasina io.
Ny ampahan’ny vatan’i Mike Anthonio Jean Lise kosa sisa no hita manodidina ny île aux Flamants, tsy lavitry ny Grande-Rivière-Sud-Est.
