ActualitésTsidika

ONG TAFA : Tanora sahirana maro navotan’ny tetik’asa « Tanora »

Namolavola ny tetik’asa « Tanora » ny ONG TAFA izay hiarahana manatanteraka amin’ny Ministeran’ny fanabeazana. Tanjona tamin’ity di any hanavotra sy hampivoatra ireo tanora maro izay very lalana amin’ny lafimpiainana maro.

« Andiany Avotra no anarana nisaloran’ireto andiany voalohany ireto. Asanay ato anatin’ny fikambanana dia ny hanavotra ara-bakiteny ireo tanora ireo. Tanora manodidina ny 16 ka hatramin’ny 24 taona ireo izay entanina sy omena fampiofanana ary tohanana hahaleotena tanetraka izy ireo. Tanjonay lehibe amin’izany di any mba hijoroan’izy ireo handresy ny fahantarana izay mianjady amin’izy ireo ka hahafahany manampy ny fianakaviany », hoy ny avy ao amin’ny ONG TAFA raha naneho ny heviny izy ireo.

« Nampianarina sy nampahafantarina anay fa tsy misy olona iray voaozona hiaritra fahantrana sy tsy fisiana izany. Rehefa manana saina afaka hiasa dia tokony ho tafa foana. Ary ny fiainana tsy vitan’ny mipetrapetraka fotsiny miandry mana fa mila mihetsika. Nanaraka ny fampiofanana ny taranja frantsay aho satria te hiasa amin’ny tontolon’ny “call-center” ka iqsaorako ny ONG nanampy tamin’ny fanatrarana izany tanjona izany », hoy i Menja, solontenan’ireo mpianatra.

Ankoatra ireo ankizy notolorana fampianarana sy fampiofanana ireo dia mandray ireo ankizy arian’ny Ray aman-dReniny ihany ko any ONG TAFA ka mametraka azy ireo any amin’ny akany mba ahafahana manampy azy ireo rehefa tonga ny fotoana hilàna izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire