Alasora : Nohamafisina ny fisafoana ataon’ny mpitandro ny filaminana amin’ny alina
Nohamafisina ny fandehanana teny ifotony sy ny fisafoana eny amin’ireo elakelan-trano, izay ataon’ireo mpitandro ny filaminana ao anatin’ny kaominina Alasora. Ny polisy sy ny zandary avy ao an-toerana no manatanteraka izany. Vokatry ny fahatapahan-jiro manerana ireo fokontany maromaro tao an-toerana sy ny ho fampandriana fahalemana ny tanàna no nanaovana izany hetsika izany, araka ny voalaza.
« Anisan’ny mampirongatra ny asan-jiolahy amin’ny faritra maro eto Alasora ny haizina. Izany no mahatonga ireo mpitandro filaminana ety an-toerana, miara-misalahy amin’ny resaka fandriam-pahalemana. Hanentanana ny mponina hatrany izany mba hiara-hiasa akaiky amin’ny mpitandro filaminana amin’ny fampilazam-baovao samihafa » hoy ireo mpitandro filaminana.
« Mamely ny trangana tsy fahandriam-pahalemana ety amin’ny kaominina Alasora, anisan’ny mba hetahetan’ny mponina ety ifotony ny hisian’ny fisafoana sy ny fanaraha-maso isan’andro, enti-miady amin’ireo asa ratsy isan-karazany, fa tsy amin’ny fotoana tsy hisian’ny jiro ihany » hoy i Faneva, mponina ao Alasora.
Ilaina ny fiaraha-mientana eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mponina raha te hiady amin’ny tsy fahandriam-pahalemana. Tsy tokony hisalasala ireo mponina hanatona ny biraon’ny mpitandro filaminana milaza ny zava-misy raha sendra tranga hafahafa.
Manitra Ramanantsoa
