Dépêches

Toetr’andro: Ahitana fiakarany ny mari-pana ao anatin’ny telo andro mifanesy

Dépêche 02 novembre, 15h, Efa anatin’ny vanim-potoana mafana ny eto madagasikara ankehitriny. Efa mahatratra hatramin’ny 29°C izany raha ho an’ny ampovoan-tany. Ahitana fiakarany anefa izany raha ho an’ity telo andro mifanesy ity. Tsara hatrany ny miomana amin’izany ho an’ireo izay hivoaka ny trano satria higaingaina ingahy be masoandro ka mety hiteraka tsy fahasalamana. Ilaina araka ziany ny mitondra fiarovana hatrany toy ny satroka na elo hahafahnaa miaro amin’ny masoandro. Tsy tokony hadinoina ihany koa ny rano ho antoky ny fahasalamana hatrany izay mety hitombo noho ny fahalotoan’ny rivotra hiainana sy ny hafanana be loatra.

Laisser un commentaire