ActualitésTatitra

Etats-Unis : Amerikanina mainty hoditra roa voadio tamin’ny raharaha natafaty an’i Malcolm X

Isan’ireo olona amerikanina mainty hoditra niady ho an’ny zon’ny amerikanina mainty hoditra i Malcolm Little na Malcolm X. Voarohirohy tamin’ny famonoana azy i Muhammad Aziz, 84 taona sy i Khalil Islam maty tamin’ny taona 2009 izay mpikambana tao amin’ny vondrona mpitolony « Nation of Islam ».

Nigadra nandritra ny 20 taona mahery ireo lehilahy roa ireo ary samy nanefa sazy maherin’ny 20 taona an-tranomaizina avy. Fantatra nefa tsy meloka i Muhammad Aziz sy i Khalil Islam, nafahan’ny fitsaran’i New York heloka tamin’ny 19 novambra 2021 ireo amerikanina mainty hoditra roa ireo. Nohamafisin’ny mpisolovavan’izy ireo, David Shanies ny 30 oktobra teo fa niaharan’ny tsy rariny sy ny fahadisoam-pitsarana izy roa lahy ka hanonitra 36 tapitrisa dollars hoan’i Muhammad Aziz sy ny fianakavian’i Khalil ny fitsarana sy ny fanjakan’i New York.

Laisser un commentaire