Rocade Iarivo : Misy mangalatra sy manimba ireo foto-drafitr’asa
Herinandro vitsy tao aorian’ny nanokanana ny Rocade Iarivo sy ireo fotodrafitrasa manodidina misy sahady ireo mangalatra sy manimba ireo fotodrafitrasa napetraka ireo. Tombony ary antony hisan’ny izao tetikasa izao ny hampihena ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Andrenivohitra : Antananarivo. Ary koa ho fanatsarana ny tanana sy fanatsarana ny andavanandro ny vahoaka Malagasy mba hanamora ny fivezivezena amin’ny fivoahana ny faritra.
Manoloana izany tranga fanimban-javatra izany, nikarakara fihaonana tamin’ireo Sefo fokontany sy tompon’andraikitry ny kaomina voakasika amin’ity tetikasa ity ny « Agence Routière » na ny sampan-draharaha misahana ny lalana. Tanjona amin’izao fivoriana izao ny hijerana ny zava-miseho eny an-toeana ary ny hanolorana vahaolana mahomby haharetan’ny lalana sy ny fotodrafitrasa mandrafitra izany. Nametraka fitarainana teny amin’ny manam-pahefana araka izany ny « Agence Routière » manoloana ireo fandikan-dalàna mikendry ny hamotika fotodrafitrasa eny amin’ny Rocade. Ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, ny CSP Analamahintsy sy ny zandarimarian’i Soamanandrariny no hahetsika hisorohana ny tranga toy izao.
« Maro ireo fotodrafitrasa mandrafitra it yRocade Iarivo ity kanefa maro amin’izy ireo no efa rava sy nisy nangalatra : ny tetezana ataon’ny olona fanazana lamba, misy manapaka amin’ny tsofa ireo « barreaux », misy manongotra sy manala ireo zava-maniry…Tena tsy azo ekena ny toy izany » hoy ny tompon’andraikitry ny tetikasa Agence routière. Miantso amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo sefo fokontany sy ben’tanana ny kaomina manodidina araka izany Agence routière mba hanentana sy hanabe ny olona amin’ny maha-zava-dehibe sy ny fikolokoloana ny fotodrafitrasa. « Isika Malagasy mihintsy no mila manova ny toe-tsaina fa tsy hisy mihintsy ny fampandrosoana raha izao no toe-tsaintsika. » hoy i Donné, maneho hevitra manoloana izao tranga izao. « Tokony ho saziana ireo izay tratra fa tsy mety intsony ny fanentanana. Mafy loha loatra isika Malagasy » hoy i Vero. Ankoatry ny fanentanana atao amin’ireo mponina, handefa fandaharana : « public-reportages » amin’ny fahitalavitra sy afisy ary « spots Radio » ihany koa izy ireo ho fanampin’ny fanentanana atao eny anivon’ny fokontany. Vonona hatrany ny mponina manodidina ny hiara-hiasa amin’ny fitehirizana sy fikoloana ireo fotodrafitrasa. Entanina hatrany isika rehetra hanaja ireo fotodrafitrasa napetraka satria manome endrika ny tanana izy ireny sa isika indray no hanakana ny fampandrosoana tsy hipaka eny amin’ny andavandrom-piainantsika ?
Sitraka Rajaonarivony
