Covid-19 : Manentana ny olona hanao arotava ny Polisim-pirenena
Tsy vitsy ireo olona tratra tsy nanao arovava orona teny Ambolokandrina sy Ankazotokana teny. Olona miisa 150 no nomen’ny Polisim-pirenena fanentanana amin’ny fampanajana ny fepetra.
« Firesahana am-panajana tamin’ny olona no natao. Mila manaja ny fepetra hiadiana amin’ny valan’aretina coronavirus ny mponina » hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena. « Tsy tokony hiandrasana ny hafa hiteny sy handray fepetra vao hanaja ny fepetra ny rehetra. Efa hiaraha-maheno isan’andro ny fiarakan’ny isan’ny marary » hoy i Jery, mpitsabo. « Tsy ny mpitandro filaminana no tokony hatahorana. Ny valan’aretina izay tena mpiaritaka no tokony hampatahotra » hoy i Fanja, mponina eny Ambolokandrina.
Ny mpitandro filaminana tokoa matetika no atahoran’ny olona eny an-dalambe. Tokony ho samy ho tonga saina isika fa ny covid-19 no fahavalo iraisana tokony horesena.
Nicole Rafalimananjara
