ActualitésTsidika

Ambohitrarahaba : Afaka misitraka ED1 maimaimpoana ireo tena sahirana

Misy mizara ED1 maimaimpoana ho an’ireo tena sahirana ao Ambohitrarahaba. Feno fankasitrahana ity vondrona ao Ambohitrarahaba mizara fanafody ho an’ny sahirana ity ny mponina.

« Afaka manatona anay ireo olona sahirana mila ED1 maimaimpoana. Mivarotra izany ho an’ny olona tsy tena sahirana afaka mividy kosa izahay » hoy ny tompon’andraikitra amin’ity hevitra ity. « Tena mahafinaritra ny fizarana tahaka izao. Betsaka ny mila ny ED1 io, saingy tsy afa-manohatra noho ny vidiny izay tsy hefan’ny sahirana » hoy i Patrice, mponina ao Ambohitrarahaba.

« Betsaka ny milaza fa tena manasitrana ny aretina miparitaka amin’izao ny ED1. Ny mizara ED1 izany dia mitovy ny manavotra ain’olona ihany » hoy i Hery, mpianatra ho mpitsabo taona voalohany eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.

Mahafinaritra sy mahavelom-bolo tokoa ny fahaizana mifampizara tahaka izao. Fitsinjovana ny sahirana sady fanomezan-danja ny maha sarobidy ny aina tsirairay avy. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire