ActualitésTsidika

Mitaky fihaonana amin’ny ben’ny tanàna ny fikambanan’ny taxi eto Madagasikara

Nandefa antso ho fihaonanan amin’ny Ben’ny Tanana ny fikambanan’ny « taxi »
maromaro eto Antananarivo mba hanafoanana ny Taxi-moto.

Mahazo sehatra ankehitriny ireo taxi-moto. Manao asa an’izy io avokoa ny
tanora izay manana izany. Raha tsiahivina, nangataka ny taxi-moto izay
manana mpikambana roa arivo isa ny ahafahan’izy ireo hiasa an-kahalalahana.
Namaly avy hatrany i Clemence Raharinirina izay mpitarika ny FTAR, tsotra
ny teniko hoy izy : « Ny FTAR dia tsy nanaiky, tsy manaiky ary tsy hanaiky
ny taxi-moto izany ». Ny taratasy fitarainan’izy ireo kosa mirakitra toy
izao : ireo taxi-moto ireo tsy mandoa hetra, tsy manana fiantohana akory
ary mangalatra ny mpanjifanay. Ary izao miafara amin’ny fiantsoana
fihaonana amin’ny Ben’ny Tanana izao.

« Asio hetra fotsiny ilay taxi-moto raha izay no olana. Miditra amin’ny
ara-dalana dia aleo samy hiasa ny tsirairay » hoy i Sedra, mpitondra taxi
moto. Hoy ihany koa i Solange, mpanjifa taxi moto : « Ka ny taxi sady ratsy,
tsy voakarakara no lafo be. Ny olona no mitady taxi-moto fa tsy ny
taxi-moto no mitady olona ». Raha ny hevitr’i Nary, mpamily taxi kosa :
« Tokony foanana ny taxi-moto fa manimba ny asanay ».

« Tia tena ny taxi, tsy mieritreritra ny mpiara-belona aminy. Tsy mahazaka
‘’concurrence’’. Zara aza manana asa ivelomana ny tanora rehefa tsy mbola
mamorona as any fanjakana. Ny haha ara-dalana azy no tokony atao fa tsy
faminganana » hoy kosa ny fanehoan-kevitr’i Barison izay mpandinika
toe-karena.

Mbola andrasana ny valin-tenin’ny ben’ny tanàna, hanaiky ny fihaonana ve
izy raha ny disadisa misy eo aminy sy i Clemence Raharinirina. Na izany
aza, tsara jerena ny marimaritra iraisana eo amin’ny taxi sy taxi-moto
satria samy manan-danja ny olona tsirairay, samy mila asa fivelomana
avokoa. Ireo taxi mila manatsara ny fiaran’izy ireo ary ireo taxi-moto
miezaka mikarakara haingana ny fampidirana azy ireo amin’ny ara-dalana.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire