PolitiqueTsidika

Niova paik’ady ny teo amin’ny fitondrana ny amin’ny fanendrena Minisitra

Ny alarobia faha 11 ny volana aogositra teo no nandefa fanambarana ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika fa nifarana ny andron’io ny fepotoana iasan’ireo Minisitra ary hisy ny fanovana ny mpikambana ao amin’ny Governemanta.

Ny alahady faha 15 aogositra lasa teo nonanaovana ny lanonam-panjakana teny Iavoloha, izay nanambarana amin’ny fomba ofisialy ireo mpikambana vaovao andrafitra ny Governemata izay tarihan’ny Praiminisitra Ntsay Christian.

« Tsikaritra nandritra izany fa nanova paikady ireo teo amin’ny fitondrana teo amin’ny lafin’ny fanivanana ny ho mpikambana vaovao »raha naneho ny heviny ireo mpanara-baovao politika. Hita taratra tokoa mantsy nandritra ny fampahafantarana ireo Minisitra vaovao fa olona efa matihanina amin’ny sehatra iandraiketany avy ireo ary manana ny traikefa iraisam-pirenena na ny atao hoe « experiences internationales » avokoa. « Nous n’avons droit à l’echec, nous devons réussir ensemble pour le peuple Malagasy »raha ny lahan-tenin’ny Filoha. « Efa tafiditra ao anaty kajikajy politika avokoa izany satria efa misasaka ny fepotoana iasana hany ka tsy maintsy mitady olona mana-trakiefa sy matianina izy hanakonana sy hanarenana ny tsy mety nataon’ireo Minisitra sy olona akaiky teo aloha izay nangorin-kerena ampitoerana teo fotsiny. Ireo Minisitra vaovao ireo izany no hentiny hanavontana ny tenany »raha naneho ny heviny i Ravo, mpanaraka akaiky ny toe-draharaha politika eto amin-tsika. Tafiditra tao anaty kabarin’i Filoha ihany koa ny hoe « Contrat-Programme-Resultats », ireo no fepetra mifehy ireto mpikambana vaovao ao amin’ny Governemanta. « Hinoana fa tsy handiso fanantenana ny vahoaka ireo Minisitra miisa 32 vaovao ireo fa tena hiasa ary hiezaka mafy hanarina ny firenena »raha naneho ny heviny ihany koa i Miora.

Tsikaritra ihany koa anefa fa misy ihany ireo tarehy vaovao mandrafitra ity Governemanta ity no tsy mbola hita nisehatra teo amin’ny resaka politika ary dia voasolotena ao avokoa ireo faritra misy eto Madagasikara. Mety efa lalana iray hizorana makany amin’ny rivotrin’ny fangaraharana ny fitantana ve izany ?

Fanja Rakotoarisoa

Ministre de la Défense Nationale : Léon Jean Richard RAKOTONIRINA

Ministre des Affaires Etrangères : Patrick RAJOELINA

Garde des Sceaux, Ministre de la Justice : Herilaza IMBIKI

Ministre de l’Intérieur et de la Décentralisation : Pierre Houlder RAMAHOLIMASY

Ministre de l’Economie et des Finances : Rindra Hasimbelo RABARINIRINARISON

Ministre de la Sécurité Publique : Fanomezantsoa Rodellys RANDRIANARISON

Ministre de l’Industrialisation, du Commerce et de la Consommation : Edgard RAZAFINDRAVAHY

Ministre de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers : Hajo ANDRIANAINARIVELO

Ministre du Travail, de l’Emploi, de la Fonction Publique et des Lois Sociales : Gisèle Marie RANAMPY

Ministre du Tourisme : Joël RANDRIAMANDRATO

Ministre de l’Enseignement Supérieur et de la Recherche Scientifique : Elia Béatrice ASSOUMACOU

Ministre de l’Environnement et du Développement Durable : Vahinala Baomiavotse RAHARINIRINA

Ministre de l’Education Nationale : Marie Michelle SAHONDRARIMALALA

Ministre des Transports et de la Météorologie : Tinoka Roberto Michael RAHAROARILALA

Ministre de la Santé Publique : Arivelo ZELY RANDRIAMANANTANY

Ministre de la Communication et de la Culture : Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Ministre des Travaux Publics : Jerry HATREFINDRAZANA

Ministre des Mines et des Ressources Stratégiques : Brice RANDRIANASOLO

Ministre de l’Energie et des Hydrocarbures : Andry RAMAROSON

Ministre de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène : Ladislas Adrien RAKOTONDRAZAKA

Ministre de l’Agriculture et de l’Elevage : Harifidy RAMILISON

Ministre de la Pêche et de l’Economie Bleue : Paubert MAHATANTE

Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle : Gabriella Rahantanirina VAVITSARA

Ministre de l’Artisanat et des Métiers : Sophie RATSIRAKA

Ministre du Développement Numérique, de la Transformation Digitale, des Postes et des Télécommunications : Tahiana RAZAFINDRAMALO

Ministre de la Population, de la Protection Sociale et de la Promotion de la Femme : Princia SOAFILIRA

Ministre de la Jeunesse et des Sports : Hawel MAMOD’AL

Vice-Ministre chargé de l’Elevage auprès du Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage : RAYMOND

Vice-ministre chargé de la Reforestation auprès du Ministère de l’Environnement et du Développement durable : Hortensia ANTOINESIE

Vice-Ministre chargé de la Jeunesse auprès du Ministère de la Jeunesse et des Sports : Tahiana Juliana RATOVOSON

Secrétaire d’Etat chargé des Nouvelles villes et de l’Habitat auprès de la Présidence de la République de Madagascar : Gérard ANDRIAMANOHISOA

Secrétaire d’Etat chargé de la Gendarmerie Nationale auprès du Ministère de la Défense National : Serge GELLE

Laisser un commentaire