Ambohimanambola : Efa tonga ny vary tsinjo
Efa tonga ao Ambohimanambola ny vary tsinjo amin’izao fotoana izao. Azo jifain’ny rehetra amin’ny vidiny 500 Ariary ny iray kapoaka amin’izany.
« Natao hanampiana ny vahoaka manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana ny vary tsinjo. Mahavaha ny olana amin’ny ampahany ihany izany » hoy ny tompon’andraiki-panjakana any Ambohimanambola. « Manampy manoloana ny fiakaran’ny vidim-bary ny fisian’ny vary tsinjo. Tsy afa-miala amin’ny vary mantsy isika vahoaka. Ny vary no foto-tsakafontsika » hoy i Liva, mponina ao Ambohimanambola. « Amidy amin’ny vidiny ambany raha mitaha amin’ny eny an-tsena ny vary tsinjo. Manao ahoana anefa ny kalitao ? » hoy ny fanontanian’ny besinimaro.
Napetraka tokoa hamaha ny olana amin’ny ampahany ihany ny vary tsinjo. Vahaolana maharitra sy haingana no tena ilain’ny vahoaka manoloana ny fiakaran’ny vidm-bary. Inona izany vahaolana izany ?
Nicole Rafalimananjara
