Tokony handoha hetra avokoa ny sehatra rehetra.
Sehatra eo anivon’ny fanjakana misahana ny foibem-pitantanana ankapoben’ny hetra ny Direction Générale des Impots na ny DGI. Sokajian’ny lalàna handoa hetra ny mpiasa, ny fikambanana sy ny vondron’olona manao asa soa, ny orinasa ary ny olon-tsotra. Misy amin’ireo sokajy ireo ny mandoha hetra isam-bolana ary misy ihany koa ny mandoha izany isan-taona. Tafiditra ao antin’ny mpandoha hetra ihany koa ny olona manao asa tena, ireo misehatra manokana amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Efa misy ankehitriny ny fikambana’ny mpandraharaha misehatra eo amin’io harena an-kibon’ny tany io. Anisan’izany ny Sympromine, izay ahitana ireo mpikambana maro manao izany asa izany ho fivelomana. Ny volana janoary lasa teo, nisy ny fihaonan’izy ireo tamin’ny foibem-pitantana ankapoben’ny hetra. Noresahina tamin’izany ny fampidirana ny asa fitrandrahana ho ara-dalàna. Tsapa mantsy fa betsaka ireo niroana tamin’io sehatra io nandritra ny krizy ara-pahasalamana nolalovan’ny firenena. Andraikitra roa no noraisin’ny foibem-pitantanana amin’ny ankapoben’ny hetra tao anatin’izany fihaonana izany. Voalohany ny fanomezana fampiofanana ireo mpikambana, faharoa ny fanamorana ny fanambarana ara-ketra sy ny fahazoana ny karatry ny mpandoha hetra. Ny talata 23 marsa lasa teo araka izany no nisy ny fanaovana Sonia teo amin’ny DGI sy ny Sympromine Mad. Tanjon’ny fanomezana fihofanana ny hanamaivanana ny fandraisana an-tsoratra ny lafiny hetra ataon’ny mpandraharaha. Mampandroso ny toe-karena Malagasy tokoa ny fanomezana vahana amin’ny ara-dalàna ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany. Miankina amin’ny fandoavana hetra amin’ireo sokajy tsirairay ihany koa ny mampandeha ny foto-drafitr’asa.
Fanilo Rarivoarilala
