ActualitésTsidika

Fifidianana : Ny volana Novambra sy Desambra 2023 no hanatanterahana ny fifidianana Filoham-pirenena

Araka ny nambaran’ny Vaomiera mpikarakara ny fifidianana dia ny alakamisy 9 Novambra ny fihodinana voalohany amin’ny fifdianana filoham-pirenena ary ny alarobia 20 desambra kosa no hanatanterahana ny fiodinana faharoa amin’izany. Efa eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ny volavolan’ny datim-pifidianana sy ny tetiandro noheverina hanatanterahana izany.

« Efa nalefa any anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ny volavolan’ny datim-pifidianana sy tetiandro noheverina ka miandry ny fankatoavana izany fotsiny sisa isika dia efa mandeha ny fanomanana sy ny fandaminana rehetra amin’izay mety ho fisehony », hoy ny avy ao amin’ny CENI, nandritra ny fanambarana izay nataon’izy ireo.

« Misaotra ny CENI namoaka ny daty satria raha ny tenako manokana dia efa leo fahoriana. Mety ho vahaolana amin’izao fiainana sarotra izao ny fifidianana izay hanovana ny mpitondra. Ety andaniny anefa dia mbola mety ho olana ihany kanefa aleo miroso amin’ny fifidianana aloha », hoy i Menja tamin’ny fanehoan-keviny.

Amin’ny 31 Mey izao no mikatona ny fisoratana anaty listry ny mpifidy eny anivon’ny fokontany, izay mbola afaka atao foana amin’izao fotoana izao. Raha tsiahivina mantsy dia ny fanisana mpifidy no nifarana ny faran’ny volana janoary teo. Zo sy adidy ny mifidy ka anjaran’ny tsirairay no manoratra ny anarany anaty lisi-pifidianana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire