ActualitésTatitra

France : Mangataka ny rariny ny ray aman-drenin’ilay zazalahy namoy ny ainy rehefa noterana hanao EPS

Zazalahy iray antsoina hoe Baptiste, 12 taona no maty nandritra ny taranja fanatanjahantena tao amin’ny kolejy Bons-en-Chablais, Haute-Savoie ny 1 desambra 2020. Tsy nahazo nanao fanatanjahantena na « dispensé de sport » noho ny olana ara-pahasalamana teo amin’ny fo io zazalahy io, saingy noteran’ny mpampianatra azy nandray anjara tamin’ny hazakazaka.

Manoloana izany dia nianjera tsy nahatsiaro tena tampoka i Baptiste. Rehefa tonga teny an-toerana ny renin’ity farany dia nangataka fanazavana tamin’ny mpampianatra izay nihaiky fa nampiazakazahana ilay zazalahy. Nentina tamin’ny angidimby tao amin’ny hopitaly tao Genève avy hatrany niatrika fandidiana i Baptiste saingy namoy ny ainy ny ampitso.

Manoloana izany dia nisokatra ny fanadihadiana momba ny famonoana olona noho ny « violation d’une obligation de prudence et de sécurité » saingy hatramin’izao dia tsy misy ny fepetra noraisin’ny fitsarana. Na ny teo amin’ny sekoly aza dia nafindra ao amin’ny fitantanan-draharaha fotsiny ihany io mpampianatra io.

Laisser un commentaire