Fifidianana : Mangataka fiaraha-miasa avy amin’ireo hery velona rehetra ny CENI amin’ny fanaraha-maso
Asa vadi-drano ny fifidianana ka tsy vita raha tsy hifanakonana. Izany indrindra no hiantson’ny CENI ireo hery velona rehetra hiara-hisalahy amin’ny fanatanterahana ity fidianana ity. Mbola maro amin’ireo mpisehatra politika no mametraka ahiahy amin’ny fangaraharan’ny lisi-pifidianana arafitry ny CENI ka hialana amin’izany ahiahy izany indrindra no hiantsoana izao fiaraha-miasa sy fiarah-misalahy izao.
« Rehefa vita tanteraka ny fanavaozana ny lisi-pifidianana dia amin’izay fotoana izay mihitsy no hangatahana ny fisian’ireo mpanara-maso hahafahana mamoaka ny lisitra amin’ny fomba mangarahara tanteraka. Antsoian amin’izany avokoa na ny antoko politika na ny fiarahamonim-pirenena. Tsy amkan’izany ihany koa ny olom-pirenena manana zo sy adidy anatin’ity fifidianana ity », hoy ny mpampaka-tenin’ny CENI Andriamarotafika Soava.
« Ny zavatra rehetra tokony hianarana daholo ny manome fampatokisana ny Malagasy tsy an-kanavaka. Tsy tokony hisy ny ahiahy raha efa nangarahara hatramin’izay. Tsy tokony hoe hiantso ihany koa fa samy efa mahalala fa tokony hatao izany dia tonga fotsiny satria ilaina mba tsy hisian’ny fifanomezan-tsiny », hoy i Miranto, mpianatra manaraka ny lalam-piofanana SciencePolitique tamin’ny fanehoan-keviny.
Ilana ny fisian’ny mpanara-maso vao tena fantatra ny fangaraharana, hoy hatrany ny avy oa amin’ny CENI. Tsiahivina fa efa niantso ny mpisehatra rehetra ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) nanomboka tamin’ny fampahafantarana ny rindrambaiko enti-manatenteraka ny fanoratana ny anaran’ny mpifidy izany. Manana adidy amin’izany ny rehetra hahafahana ihany koa manitsy raha misy diso ny anarana voasoratra anatin’izany lisi-pifidianana izany.
Miora Raharisolo
