ActualitésTsidika

Kara-tany : Ny tera-tany malagasy ihany no misitraka izany

Very fihinana ireo fikambanana vatsian’ny vahiny vola, satria tsy azo omena kara-tany ny karana, ny sinoa, rehefa vahiny, eny fa na dia manana zom-pirenena Malagasy ary, ka izay no mampitabataba azy, manoloana ny tolo-dalàna momba ny fanomezana kara-tany. Tombon-tsoa ho an’ny vahoaka malagasy ny nanajary ny tanindrazany, ny lalàna ny fananan-tany momba ny fanomezana kara-tany, hoy ny solombavambahoaka Naivo Raholdina, satria io no fomba tsotra hahazoan’ny tantsaha izay efa nanajary ny taniny. Nomen’ny vahoaka fahefana sy handray sy hanao lalàna ny solom-bavambahoaka sy ny loholona, ka tsy fikambanana tsy voafidim-bahoaka no hanery azy ireo.

Manoloana ny filazan’ireo fikambanana misalotra ho solotenan’ny tantsaha, mikasika ny fanitsiana ny lalàna fananan-tany kara-tany, dia nanambara sy nanamafy in’ny vaomieran’ny fanajariana ny tany sy ny fitantanana ny fanana-tany, eny amin’ny antenimeram-pirenena ny solombavambahoaka Naivo Raholdina fa tombon-tsoan’ny vahoaka, indrindra ny tantsaha ny nandanian’ny solom-bavambahoaka sy ny loholona an’ity lalàna ity. Nambarany fa mifanaraka ny lalàm-panorenana ary efa andininy vitsivitsy ihany koa sisa no andrasana fankatoavana avy amin’ny HCC fa tsy raha ny filazan’ireo fikambanana tsy miankina. Ireto farany, izay nolazain’ny solombavambahoaka Naivo Raholdina fa tsy mahalala hafa tsy ny tomon-tsoany sy ny tombon-tsoan’ny vahiny mpamatsy vola azy.

Ny tantsaha tera-tany Malgasy Ray sy Reny no tena hisitraka ny tanindrazana sy ny tany nohajariana, ary efa kara-tany aman’arivony no nozarain’ny fanjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany ka manamafy ny solombavambahoaka fa natao ho an’ny zanaky ny tena malagasy Ray sy Reny tsy manam-bola ity lalàna ity. « Manoloana ilay tenin’ny Société civile ireny aloha, dia tiako ny manamafy fa betsaka ireo very tombon-tsoa amin’io lalàn’ny kara-tany io, satria amin’io resaka io dia mahazo tombon-tsoa be dia be ny malagasy sy ny tera-tany malagasy ary ny tantsaha, efa betsaka tokoa manko ny kara-tany nozaraina erak’i Madagasikara, nataon’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny fananan-tany, fanajariana ny tany. Tsara ho fantatry ny vahoaka fa taloha, tamin’ilay lalana tsy nahitsy iny, dia misy karana, sinoa be vola be, ary société mahazo kara-tany, nefa izany kara-tany izany dia tompon-tanindrazana, fa amin’ity lalàna ity, na manana zom-pirenena malagasy ireo karana, sinoa, ireo vahiny rehetra dia tokony tsy hahazo izany lalàna izany velively » hoy i Naivo Raholdina.

Noho izany dia mazava ny voalazan’ny lalàna fa, ny solombavambahoaka sy ny loholona ary ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana sy ny filoha Andry Rajoelina no mpanao lalàna sy mptsara ny lalàna, ka tsy teren’ny fikambanana tsy miankina.

« Ny loholona, ny antenimieran-doholona, dia nandany an’io zato isan-jato avokoa, ny mpahay lalàna indrindra sy ny HCC koa dia nankatoa tanteraka, fehezan-tany roa fotsiny angamba no hahitsy ary mbola manao antso avo amin’im-pirenena izahay, mahatoky ny fahendren’ny fanjakana sy ny mpitondra hankatoa an’io, fa io izany no hanafoanana ny mpanera ary io no tombon-tsoa voalohan’ny tantsaha. Ka marihiko fa ny notera sy ny «domaine» no mikarakara tany fa tsy ny fikambanana hafa ankoatran’ireo société civile ireo » hoy hatrany ny solombavambahoaka Naivo Raholdina.

Miandry ny fankatoavana avy amin’im-pirenena ny solombavambahoaka izay nandany ity lalàana ity, indrindra ny vaomiera izay tarihiny.

Murielle Andrianasoloniaina

Laisser un commentaire