SocialTsidika

Volam-bahoaka : Tsy tokony ho laniana amin’ny fampielezan-kevitra

Raha ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2023 no resahina dia ho sarotra ny hamondronana ireo mpanao politika mba ahafahana manana kandidà tokana avy amin’ny Fanoherana raha toa ka tsy misy ny foto-kevitra iombonana hoy i Ralison Roger. Etsy ankilany na dia heveriny rehetra fa tsy hisy fisalasalana ny hirotsahan’im-pirenena amperinasa amin’ny fifidianana amin’ny 2023, dia nilaza i Andry Rajoelina fa tsy mbola mieritreritra ny fifidianana ny tenany amin’izao fa mbola mifantoka amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Isan’ny nanamarika ny vaovao politika tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo nefa ny famoriam-bahoaka nataon’ireo kandidà roa heverina fa matanjaka indrindra amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka, tsy iza izany fa i am-perinasa Andry Rajoelina sy ingahy Marc Ravalomanana. Raha tany amin’ny faritr’i Sava no namory vahoaka im-pirenena, dia tany Toamasina kosa no nanao izany i mpanorina ny antoko TIM, ny sabotsy sy ny alahady teo. Mazava ankehitriny fa efa manomana ny 2023 ny andaniny sy ny ankilany ka taraiky daholo ireo mpanao politika mieritreritra ny ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka.

Marihana hatreto aloha, tsy mbola misy eto Madagasikara mihitsy ny lalàna mazava mandràra ny fanaovana fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana. Ny voalazan’ny lalàm-pifidianana fotsiny dia ny hoe tsy azo atao ny manentana olona hifidy an-dRakoto na Rabe rehefa mamory vahoaka raha tsy ao anatin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra. Na efa samy miroso amin’izany aza i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, ny tsy mampitovy azy fotsiny dia volany manokana no ampiasain’in’ny TIM raha toa ka volam-bahoaka ny an’im-pirenena.

Mety hilaza moa ireo mpanohana ny fitondrana fa tsy fampielezan-kevitra no ataon’im-pirenena rehefa mitety faritra fa fitokonana zava-bita. Tsy mitombina velively izany satria raha hitokana foto-drafitrasa vaovao amin’ny tanàna iray, angamba tsy voatery hanao lanonam-be miaraka amin’ny mpanakanto maromaro ary handaniana volabe tsy toko tsy forohina izay marihana ihany fa tsy volan’i Andry Rajoelina manokana fa volam-bahoaka. Vao manomboka moa izy io ary azo antoka fa tsy maintsy mbola ho tahaka izany avokoa ny zavatra hitranga rehefa hitety faritra hafa i. Efa fahita tamin’ireo fitondrana rehetra nifandimby teto amin’ny firenena moa izany fomba fanao izany ary mbola tohizan’i Andry Rajoelina ihany koa, ankehitriny.

« Izaho izany ohatran’ny efa kivy am-boalohany sahady. Tsy maintsy hoe im-pirenena amin’izao io no ho lany na iza na iza no mpifanandrina aminy eo. Izy efa manana dimy taona hanaovana fampielezan-kevitra. Sady efa vita lamina ny paikady. Aleoko mikarama mafy fa tsy ho tafa ny ankoatran’izay. Izaho tsy hifidy intsony rah tsy miova mintsy n’y fotopisainan’ny mpifidy » hoy Haja, olom-pirenena anisan’ny efa nifidy an-taoanany maro.

« Tsy mbola misy kandidà maharesy i Rajoelina izany amin’ireo mpanohitra very seza sy mpanenjika ankehitriny ireo raha tsy miova ho tena fitiavan-tanindrazana marina ilay fankahalana sy lolom-po tsy voafehy » hoy kosa anefa i Manampy, mponina ao Ambatobe.

Voalaza moa fa ireo izay mpanohitra ny fitondrna foana no mahavita milaza hoe volam-bahoaka no hanaovan’i Andry Rajoelina ireo karazana foto-drafitrasa maro isan-karazany. Tsy misy mahalala izay tena zava-misy anefa ny vahoaka.

Murielle Andrianasoloniaina

Laisser un commentaire