Krizy ara-tsakafo : Niakatra ny tahan’ny olona hianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo
Tsy nitsaha-niakatra ny tahan’ny olona hianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo maneran-tany, tao anatin’ny dimy tao izao, raha ny tombana iraisam-pirenena nivoaka tamin’ity herinandro ity. Tranga miseho manerana izao tontolo izao izany, raha ny voalaza. Ho an’ny Afrika atsinanana, dia noho ny fahamainan’ny tany, dia mananontanona ny mponina ny mosary ; ho an’i Haïti, tratran’ny krizy ara-tsakafo ny mponina noho ny ady ao Gaza. Ny taona 2023, 281 tapitrisa, izay avy amin’ny firenena 59 maneran-tany no tratran’ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika. Nahitana fiakarana izany mihoatra ny tamin’ny taona 2022, izay mponina 257 tapitrisa no tratran’ny olana ara-tsakafo izany.
