Soanierana Ivongo : ALIKA ROMOTRA
Olona 11 isa no voakaikitry ny alika romotra no tonga tao amin’ny Hopitalibe Soanierana Ivongo ho tsaboina. Ahitana zaza iray vao 4 taona monja. Efa misy ny ezaka ataon’ny tompon’andraiktra any Soanierana-Ivongo renivohitra, amin’ny famonoana ireo alika mirenireny sy tsy vita vaksiny.
