Ankadikely Ilafy: Mila jerena ny mahakasika ny fahadiovana sy ny fivoahan’ny rano maloto
Mitaraina ireo mponina ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba, kaominina Ankadikely Ilafy manoloana ny tsy fahampian’ny fandraisana andraikitra momba ny fahadiovana, indrindra amin’ireo rano maloto miparitaka eny anelakelan-trano. Mila jeren’ny tomponandraikitra manokana ary handraisana fepetra izany, araka ny voalaza.
« Mangataka amin’ny tomponandraikitra na ny avy amin’ny kaominina na ny fokontany mba hijery manokana ny momba ity tranga ity fa dia mijaly ny mponina. Maro ireo trano tsy manaraka ny fenitra, tsy misy toerana fivoahan’ny rano maloto ka miparitaka eo amin’ny lalan’ny mpandeha » hoy i Henri, mponina ao Ambohitrarahaba.
« Tsara raha misy rafitra manokana misahana ny fahadiovana sy ny fanadiovana ny tanàna, indrindra fa ny fisorohana ity rano maloto miparitaka ity. Sady manome endrika ratsy ny tanàna izany no miteraka tsy fahasalamana na eo amin’ny fofona aterak’izany na ny loto miparitaka » hoy i Ndranto, misehatra amin’ny fahadiovana sy fanadiovana.
Taratry ny fandrosoana eny ifotony ny fahadiovan’ny tanàna. Zava-dehibe ihany koa anefa ny fiaraha-mientana ao anatin’izany. Miandry ny fandraisana an-tanana avy amin’ireo tomponandraikitra araka izany ny mponina ao an-toerana.
