Ambohibary Vakinankaratra : Fanapoizinana ara-tsakafo
Olona miisa 106 no tratran’ny fanapoizinana ara-tsakafo ny Alahady lasa teo tany Ambohibary vakinankaratra.Araka ny fanazavan’ny mpitsabo, nisy mariazy tao amin’ny Tefisso Ambohibary, ny Sabotsy lasa teo ary nitaraina ho narary kibo avokoa ireo olona namonjy io mariazy io. Entana lany daty tamina fivarotana iray, izay novidiana nanaovana ny sakafo no voalaza ho anton’izany. Nakaton’ny fiadidina ny tanàna io fivarotana io mandra-piandry ny fijerena ny sakafo amidiny. Raha araka ny filazan’ny mpitsabo, mbola tsy nisy ny aina nafoy hatreto ary efa manaraka fitsaboana daholo ireo marary sisa tavela.
