ActualitésTsidika

Masindray: Vita ny lalana rari-vato ao Manazary sy Ambohidralambo

Vita ny lalana rari-vato ao Manazary sy Ambohidralambo, ao amin’ny kaominina Masinandray. Anisan’ny lalana nampitaraina ny maro ao an-toerana, ny fahasimban’ity lalana ity, araka ny voalaza.

“Hisaorana ny tomponandraikitry ny kaominina, namaly ny antso sy nandray andraikitra mahakasika ity lalana ity. Anisan’ny lalana ratsy ary mampijaly ny mponina ety an-toerana saingy rehefa nitaraina izahy dia nitondra fanamboarana tanaty fotoana fohy ireo tomponandraikitra” hoy ny mponina eny amin’ny manodidina.

“Zava-dehibe ny famahana ny olan’ny mponina, indrindra ireo mahakasika ny fiainana amin’ny andavan’andro; anisan’izany ny lalana dia laharam-pahamehana tokoa. Mbola maro ireo lalana mila fanamboarana ety an-toerana ka hirariana mba ho tahaka izay hatrany ny fandraisana andraikitry ny kaominina” hoy hatrany ny fanazavana.

Ny lalana no anisan’ny vavahady mahatonga ny fandrosoana. Zava-dehibe araka izany ny fanamboarana ireo lalana simba eny ifotony. Tsy voatery hiandry tomponandraikitra anefa vao afaka mitondra fanamboarana azy ireny fa azo atao ihany koa ny miara-mientana eo amin’ny mponina.

Manitra R.

Laisser un commentaire