ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Vita soa aman-tsara ny fametrahana ireo jiro manazava ny tanàna

Vita soa aman-tsara ny faran’ny herinandro lasa teo ny fametrahana ireo jiro entina hanazavana ny tanàna ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. Ny lalana avy eny amin’ny biraon’ny kaominina mankeny amin’ny hopitaly CHRDII anosy avaratra no nametrahana ny jiro manazava izay.

« Mankasitraka feno ny tompon’andraikitra amin’ny ezaka sy ny fametrahana izao jiro izao. Hita tokoa fa mivoatra ary mazava tsar any tanàna, ilain’ny vahoaka tokoa izao ary anisan’ny mampihena ny tsy fandriam-pahalemana » hoy i Haingo, mponina ao Anosy Avaratra.

« Ny fitondram-panjakana no hisaorana voalohany nanatanteraka ny veli-rano ho fampandrosoana ety ifotony. Ny fanomezana angovo sy rano ho an’ny mponina no laharam-pahamehana mitondra any amin’ny fampandrosoana. Faly ny vahoaka manoloana izao izay hisaorana ireo tomponandraikitra nahefa izany rehetra » hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.

Ankoatra ny fametrahana izao jiro izao, mbola manentena ny fitohizan’ny asa ireo mponina ho fanatsarana ny kaominina indrindra fa amin’ireo fokontany hafa ao anatin’ity kaominina ity. Miainga any amin’ny fahazavan’ny tanàna tokoa no hisian’ny fampandrosoana, manaraka ao ny resaka fahadiovana, ny filaminan’ny tsena izay anisan’ny hiainan’ny mponna isan’andro.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire