Actualités

Sabotsy Namehana : Hiatrika ny lalao fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ny Voasarin’i Namehana

Nanainga ny dia tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo ireo ekipan’ny Voasarin’i Namehana, sokajy vehivavy, izay avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, hiatrika ny lalao izay hiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, izay atao any Ambanja.

« Anisan’ny ekipa manana ny traik’efa sy ny fahaiza-manao eo amin’ireo teknikan’ny filalaovana baolina kitra ireo ekipa ireto. Mino aho fa hitondra fivoarana hatrany eo amin’izy ireo izao diany hiady ho an’ny tompondakan’i Madagasikara izao » hoy i Ranto, mpanaraka ny taranja baolina kitra ao Sabotsy Namehana.

« Tsara tso-drano, ary ho tsara mandroso tsara miverina, anie ireo ekipan’ny Voasarin’i Namehana vehivavy amin’izao diany izao. Ekipa izay anisan’ny reharehan’ny kaominina amin’izao dingana lehibe hatrehany izao » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

Anisan’ireo ekipa sangany ary manana ny fahaiza-manaony tokoa ireto ekipa vehivavy ireto. Mendrika fanohanana na eo amin’ny lafin’ny ara-moraly na ara-pitaovana izy ireo hahafahany manohy ny ezaka eo amin’izany taranja izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire