ActualitésTsidika

Fampiofanana : Fanokafana ara-pomba ofisialy ny ivontoeram-pampianarana mahandro sakafo Guillaume Gomez

Nampitondraina ny anaran’ity mpahandro sakafo malaza avy ao France ity ivontoerana ity. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy izany, sady fanolorana ny mari-pahaizana ho an’ireo mpianatra 23 ao amin’ny Akamasoa.

Tonga eto an-toerana ity mpahandro sakafo malaza ity ary hanome voninahitra izao fotoan-dehibe ao amin’ny Akamasoa izao. Fotoana iray hanokafana ara-pomba ofisialy ity toerana fampiofanana ity izany ary ihany koa natao hanomezam-boninahitra ireo mpianatra 23 miandahy andiany voalohany tao amin’ny sekoly amin’ny alalan’ny fizarana ny mari-pahaizan’izy ireo.

« Efa manana ny sekoly izahay eny Ankarana, ary efa nahazo ny mari-pahaizany avokoa ireo mpianatra andiany telo nivoaka voalohany. Izany dia nahafaly ny tenako mihitsy no nanolotra ziany azy ireo », hoy i Guillaume Gomez. Efa hisy mpianatra 24 indray hanomboka ny fiofanana ny talata izao eto anivon’ny Institut d’excellence culinaire Guillaume Gomez (IECGG) ao amin’ny Akamasoa. ho fanampiana ireto tanora ireto hanana asa no anton’izao fiaraha-miasa amin’ny Chef Guillaume Gomez izay sangany any Frantsa izao satria zava-dehibe amin’ireo ankizy ireo ny asa mba hialana amin’ny firenirenena fotsiny », hoy kosa i Pedro, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Akamasoa.

Mahafinaritra ny maso ny mahita fiaraha-miasa tahaka izao satria sady mampivoatra ny tanora no mety hampivoatra ny firenena ihany koa ny tohin’ity fifandraisana ity. Ilaina fifehezan-tena ny fianarana amin’izao sekoly izao satria dia tena sangany tokoa izanympanao lakozia izany ka tombony ho an’ny Mlagasy rehetra ny fananana azy.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire