Anjeva : Niampy jiro miisa folo ireo napetraka tao amin’ny fokontany Anjeva gara
Mbola ao anatin’ny hetsika « Ben’ny tanàna mitety vohitra » hatrany amin’izao fotoana izao ny ben’ny tanàna miadidy ny kaominina Anjeva. Ny fokontany Anjeva Gare no nisitraka ny fametrahana izany jiro izany, izay miisa 10 ny faran’ny herinandro lasa teo.
« Fokontany Anjeva Gare, quartier Miadamandroso ambony sy Ambatofotsy no nametrahana jiro lampadaire miisa 10. Jiro lampadaire 21 isa hatreto no voapetaka ao amin’ny fokontany Anjeva Gare, mbola hitohy amin’ireo quartier hafa izany » hoy ny ben’ny tanàna.
« Mahafinaritra ny fahitana ireo tomponandraikitra miezaka amin’ny fametrahana hazavana eny ifotony. Anisan’ny mitondra fanovana tokoa izany, indrindra fa ny eo amin’ny fahandriam-pahalemana » hoy i Rivo, mponina ao Ambatofotsy Anjeva Gare.
Mbola hitohy hatrany ny hetsika ary samy mbola hisitraka izany hazavana izany avokoa ireo quartier tsy mbola nisitraka izany ao an-toerana. Ilaina tokoa ny hazavan’ny tanàna, kanefa ilaina ihany koa ny fanajana sy ny fitandrovana ny fananana iombonana.
Manitra Ramanantsoa
